“Izaho mino an’ Andriamanitra Tokana, Ray tsitoha, Mpanao ny lanitra sy ny tany ary ny zavatra rehetra, na ny hita na ny tsy hita.
Izaho mino an’ i Jesosy Kristy Tompo Tokana, Zanak’ Andriamanitra Lahitokana; nateraky ny Ray talohan’ ny fotoana rehetra; Andriamanitra avy amin’ Andriamanitra; fahazavana avy amin’ ny fahazavana, Andriamanitra marina avy amin’ Andriamanitra marina; nateraka fa tsy noharina; miray Sobstansa (Izy maha-Izy Azy) amin’.ny Ray; amin’ ny alalany no nahariana ny zavatra rehetra. Noho isika olombelona sy ny famonjena antsika no nidinany avy any an-danitra, ary tonga nofo notorontoronin’ ny Fanahy Masina tao an-kibon’ i Maria virijina ka natao olombelona; nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana koa hisolo antsika fony nanapaka Pontio Pilato; nijaly ary nalevina; ary nitsangana indray tamin’ ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina; niakatra ho any an-danitra; mipetraka eo ankavanan’ ny Ray, ary ho avy indray amim-boninahitra hitsara ny velona sy ny maty, ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany.
Izaho mino ny Fanahy Masina, Izay Tompo sady Mpamelona; Izay avy amin’ ny Ray sy ny Zanaka; Izay itsaohana sy omem-boninahitra miaraka amin’ ny Ray sy ny Zanaka; Izay niteny tamin’ ny alàlan’ ny mpaminany.
Izaho mino ny Fiangonana tokana, masina, apostolika, manerana izao tontolo izao. Izaho manaiky ny batisa iray ho famelan-keloka, ary miandry ny fitsanganan’ ny maty sy ny fiainana mandrakizay. Amena.

